Tohivakana io omaly io ireo teny fanamelohana voaray avy amin’ireo firenen-dehibe sy vondrona iraisam-pirenena isan-karazany nentina nanamelohana ny asa fampihorohoroana izay nitranga tetsy
Mahamasina ny takarivan’ny 26 jona. Somary nanaitra tamin’ireo an’ny hafa rehetra izay efa nandefa izany moa ny an’ny frantsay tamin’ny alalan’ny «Quai d’Orsay » satria ankoatra ny fanamelohana hentitra sy ny fampiononana ireo fianakaviana niharam-boina dia ity firenena ity irery , hatreto aloha no nilaza fa vonona ny hiara-kiasa amin’ny fanjakana malagasy amin’ny fampandriana fahalemana ny firenena, hoy indrindra ny fanambarana ofisialy nivoaka omaly : “manome toky ny manam-pahefana Malagasy i Frantsa momba ny fanohanany hiarovana ny filaminana sy ny fahamarinan-toeran’ny firenena”. Araka ny efa notaterina teto omaly ihany koa dia efa miomana fatratra ny amin’izany ny hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena frantsay izay mitoby atsy La Réunion na ny GIGN, satria voasokajy ao anatin’ireo faritra mety hiasan’ny Silamo mahery fihetsika i Madagasikara. Nandefa ny fanamelohana sy fiaraha-miory ihany koa ny vondrona eoropeanina , ny eo anivon’ny frankofonia (OIF) sy ny vondrona afrikanina. Naneho ny fiaraha-mioriny amin’iro fianakavian’ny maty ary nirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra vokatry ny fipoahana teny Mahamasina ihany koa ny Amerikanina.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.