Actualités

Fitandroana ny filaminana teny Ivato 5000 hatramin'ny 15000 no noraisiny


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Tsy nifanaraka tamin'ny zavatra tokony ho nisy ny tambin-karama nomena ireo miaramila nampandraiketina ny filaminana teny Ivato ny sabotsy lasa teo.

 Raha ny fanazavana nomen'ny mpitandro filaminana maromaro dia vola nitentina 30.000 Ariary isan’olona no notakian'izy ireo ary efa nifanarahana saingy nony vita ny asa dia 10.000 Ar no azon'ny manamboninahitra lefitra ary 15.000 Ar ny anjaran'ny manamboninahitra raha 5.000 Ar monja ny an'ny hafa. Mbola nampiroroa saina ireto mpitandro filaminana ireto ihany koa ny nanomezana azy ireo mofo dipaina maina be tsy nisy fangarony raha toa ka nisy fromazy izany hatramin'izay. Ny nahagaga azy ireo anefa dia nisy vary amin'anana nilatsaka tampoka avy any, saingy tamin'izy ireo dia hoe efa tara loatra izany. Tsy fantatra izay tena anton'ity tranga iray ity, satria tamin'ireo miaramila nampiaka-peo dia hita ho nalahelo ny fanaovana tsinontsinona azy mihitsy izy ireo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT