Nangingina ireo hetsika sendikaly teto amin’ny firenena tato ho ato. Tsy arakaraka ny hafanam-pon’ireo mpitarika tany am-piandohan’ireny hetsika isan-karazany ireny fa dia tsy nahenoana akony intsony ankehitriny.
Tsy re feo intsony, ohatra, ny avy amin’ny Afo Sendikaly izay nilaza tany am-boalohany fa hampibaribary ny tsy mety ataon’izao fanjakana misy amin’izao fotoana izao, tsy re tsaika ihany koa ny teo anivon’ny Airmad. Mampametra-panontaniana ny zava-misy ankehitriny hoe nahazo vono avo ve ireo mpitarika sa efa nivaly ny fitakiana izay nimatimatesana ka tsy misy antony hitenenana intsony ? Efa fomba fiady tsy vaovao eto amin’ny firenena rahateo ny fanambazana vola ireo mijoro hiaro ny tombontsoan’ny besinimaro ka matetika dia maty momoka ny hetsika hitakiana ny tombontsoan’ny maro an’isa.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.