Samy manao izay hahazoany vola ny rehetra ankehitriny, na ho tonga hatramin’ny fisolokiana sy fanapoizinana olona aza.
Mahazo vahana ao Toamasina io tranga io izao ka tokony ho mailo avokoa ireo milaza ny hividy fiara ao Toamasina sy ireo mitondra vola be hibizina ihany koa. Tranga iray nahazo ireto fianakaviana iray nahitana olona telo avy ao Antsirabe tonga tao Toamasina ny alarobia teo, hividy fiara “Sprinter”, araka ny efa fifanarahana, sy adivarotra efa vita tamin’ny alalan’ny tambajotram-pifandraisana mialoha. Tsy izay anefa ny zava-niseho nony tonga tao Toamasina izy ireo ny herinandro lasa teo, fa fanapoizinana tamin’ny alalan’ny mofomamy sy zava-pisotro indray no nahazo azy telo mpividy fiara ka vao fanina sy tsy nahatsiaro tena izy ireo dia nentin’ilay milaza ho mpivarotra ny fiara tamina trano fandraisam-bahiny, La Nouvelle Hotel bazary kely. Nony tonga tao dia lasan’ilay milaza ho mpivarotra fiara sy mbola milaza ho “inspektera” ladoany ao Toamasina, ny vola 24 tapitrisa ariary vidin’ilay fiara. Ny ampitso tany amin’ny hopitaly vao tonga saina izy telo fa voasoloky. Tranga faharoa kosa dia mikasika ireto andiana tanora milaza fa mpampitombo vola, ka voarebirebin’izy ireo sy tratry ny fandraikiraikena ireo tambanivohitra ka misy no nahazoan’izy ireo vola be mihitsy. Olona roa mpivarotra sy mpanangom-bokatra tao amin’ny fokontany Ankadirano lalana mihazo an’i Mahavelona Foulpointe no nahazoan’ireto andiana tanora ireto vola 20 tapitrisa ariary, ka ny iray nahazoan’izy ireo 16 tapitrisa ariary be izao, ny faharoa kosa 4 tapitrisa ariary. Nisy ny vela-pandrika natao ireto andiana tanora mpisoloky amin’ny fampitomboana vola ireto, ka tratra tao Ankirihiry bazary ingahy Andriantsizanaina Fredo na Mario, izay 36 taona mipetraka ao Andranomadio P/elle 11/43, lehiben’ireo mpisoloky. Ireo namany kosa mbola nandany ny azo any an-tanindrazany. Tratra tany amin’i Mario ireo taratasy miendrika 10.000 ariary miisa 12.000 ka samy miisa 6.000 avy ireo miloko mainty sy ireo miloko maitso. Efa miandry fitsarana any am-ponja izy ankehitriny, raha namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana kosa ireo namany telo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.