Actualités

Firenena Mikambana Hanome 150 tapitrisa dolara


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Manomboka miverina ny famatsiam-bola iraisam-pirenena hatramin’ny nisian’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita.

 Lelavola mitentina 150 tapitrisa dolara no omanin’ny Firenena Mikambana hanohanana an’i Madagasikara mandritra ny taona 2012 sy 2013 amin’ny sehatr’asa 5 dia fanohanana ny fampiharana ny tondrozotra, fampiroboroboana ny toekarena, fametrahana tany tan-dalàna, fijerena ny lafiny ara-tsosialy ary fanampiana ny tontolon’ny serasera. Ao anatin’ny fandaharanasa vonjimaika no hampiasana ity vola ity satria tapaka noho ny krizy politika ny famolavolana drafitra fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, hoy i Fatma Samoura, mpandrindra ny asan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara. Nomarihany fa misy amin’ny ampaham-bola no efa mazava ny hampiasana azy raha mbola tsy nahetsika kosa ny 81 tapitrisa dolara. Ho an’ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena, Botozaza Pierrot, izay nandray ity diplaomaty ambony ity teny amin’ny biraony dia midika izao fihetsiky ny Firenena Mikambana fa tsy mamela irery antsika ity fikambanana iraisam-pirenena ity ao anatin’izao krizy izao.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT