Maro ireo mpandinika milaza fa antony iray tena goavana mampikorontana firenena ny fisian’ny solika ao aminy. Asa izay tena fahamarinan’izay aloha fa ny fahasahiranana ara-tsosialy miaraka amin’ny krizy ara-toekarena sy ny disadisa politika lalovan’i Madagasikara tao anatin’ny fotoana maharitra dia mety manaporofo izany.
Hatramin’ny nahafantarana fa manana tahirin-tsolika an-dranomasina sy an-tanety ny faritra maro eto amin’ny nosy dia tsy nilamina tanteraka ny firenena na dia tsy tonga tany amin’ny ady an-trano aza ny samy mpiray tanindrazana. Amin’izao taonjato faha-21 iainantsika izao dia tsy vitsy ireo firenena rotiky ny fifandrafiana anatiny vokatry ny harena misy ao aminy toy ny solika raha ny mifanohitra tanteraka amin’izay kosa no misy eto amin’ny firenena malagasy na dia efa miaina ao anatin’ny fahantrana aza ny maro an’isa vokatry ny fiverimberenan’ny krizy iniana volena. Fantatra ary amin’izao fotoana izao fa an-dalana amin’ny famokarana solika miaraka amin’i Mozambika i Madagasikara amin’ity taona 2014 ity raha ny vinavinan’ny masoivoho amerikanina misahana ny angovo eo ambany fiahian’ny governemantan’i Etazonia. Efa an-taonany maro rahateo no nisy ireo kaompania vahiny goavana mpitrandraka solika nanomboka ny asa fikarohana ity volamena mainty ity teto amintsika ka dia ho hita miandalana eo ny fivoaran’izay famokarana solika eto Madagasikara izay. Ny zava-misy aloha hatreto dia mbola miaina amin’ny fidangan’ny vidin-tsolika izay tsy mitsaha-mitombo ny mpanjifa Malagasy. Ny fanjakana rahateo dia mionona amin’ny fifanarahana amin’ireo orinasa mpanafatra solika hisorohana ny fisondrotam-bidy matetika izay baikon’ny tsena iraisam-pirenena. Ampahatsiahivina fa sandaina 3.470 Ariary ny lasantsy tsy misy “plomb” ankehitriny raha vidiana 2.800 Ariary ny litatry ny gazoala ary 2.180 Ariary ny solika fandrehitra izay ezahina hotazonina hatramin’ny 30 jona 2014, araka ny tapaka tao amin’ny filankevitry ny governemanta farany teo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.