FIP Toamasina

> Nomen’ny Karana tany hanorenany ny biraony


  • Sabotsy 01 Febroary 2014

Napetraka omaly tao Tanambao Verrerie manakaiky ny ZES (Zone Economique Spéciale), ny vato fehizoron’ny birao vaovaon’ny polisin’ny Hery Vonjy Taitra (FIP) Toamasina.

Tonga nametraka izany tao Toamasina ny minisitry ny filaminana anatiny Rakotondrazaka Arsène sy ireo ekipany ary ireo polisy ao Toamasina notarihan’ny Jly Rakotoarisoa Jean Yves. Mirefy 1.500m2 ny tany izay ampahan-tany nomen’Atoa Mohamed Mohajiz teratany karana. Ny fanjakana no hiantoka ny fanamboarana izay hitentina 90 tapitrisa Ariary, ary ireo mpiara-miombona antoka kosa no hiantoka ny fitaovana enti-miasa hapetraka ao anatiny. Fantatra moa fa mbola hisy Kaomisaria miisa telo hosokafana ao Toamasina, dia ao Salazamay – Ambalamanasy sy Mangarano ary Ampasimazava “Place de la Cologne”. Fotoana koa io omaly io nilazan’ny minisitra, fa tapitra nanomboka ny faran’ny volana janoary teo ny asa nampiandraiketina ny “Saka Mainty” tao Toamasina. Ny FIP sy ny UIR Toamasina ary ireo polisy mitambatra no hanohy ny asa hitazonana ny filaminana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT