Fiovaovan’ny voka-pifidianana

> Renim-pianakaviana iray niditra hopitaly tampoka


  • Zoma 08 Novambra 2013


Maro amin’ireo vahoaka ao Amoron’i Mania no efa leo ity fitondrana tetezamita ity ka natoky ny kandida filoham-pirenena natolotry ny Avana tohanan’ny ankolafy Ravalomanana izay hamerina an’i Dada hanavotra ny firenena ka nifidy azy. Omaly alakamisy 07 novambra dia nisy renim-pianakaviana iray avy any Andina monina ao Ambositra no narary niditra hopitaly vokatry ny fiovaovan’ny isam-bato azon’ny Dokotera izay nidina isan’andro faramparany teo. Manaraka akaiky ny raharam-pirenena ity ramatoa ity ary mora miakatra tosi-dra raha misy fahadisoam-panantenana. Efa nahatratra 27% ny tahan’ny isam-baton’ity kandida tohanan-dramatoa ity teo aloha nefa nidina ho 21% ankehitriny ka nitarika izao tsy fahasalamany izao. Efa mandray fitsaboana ilay ramatoa ao Ambositra amin’izao fotoana izao ka tsy atahorana ny fahasalamany, araka ny nambaran’ny mpitsabo azy.

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT