Actualités

FINONA Hajao ny fiaviana ara-politika sy ara-paritra


  • Alakamisy 10 Novambra 2011

Isaky ny misy zava-dehibe mitranga eto amin’ny firenena dia tsy tara mihitsy ny fikambanana FINONA maneho ny heviny.

 Ao anatin’izao dinidinika fandraisan’ny praiminisitra ireo kandida atolotry ny vondrona sy ankolafy isan-tsokajiny amin’ny toeran’ny ministra izao dia namoaka toromarika momba izay fananganana ny governemanta izay ity fikambanana tarihin’ny pasitera Razafindramanitra Nestor ity. Voalazan’io fanambarana io fa araka ny andininy faha-5 ao anatin’ny tondrozotra dia “ny filohan’ny tetezamita no manendry ireo mambra ao amin’ny governemanta araka ny soso-kevitry ny praiminisitry ny marimaritra iraisana. Na izany aza dia tokony hotsinjaraina araka ny rariny sy ny hitsiny ny ministera amin’ny fanajana ny fiaviana ara-politika, ny fandraisana anjaran’ny lahy sy ny vavy ary ny fifandanjana isam-paritra. Ankoatra izay dia olona manaja ny soatovina Malagasy, indrindra ny fihavanana sy ny firaisankina ary ny fahamarinana, no mendrika hatao mpikambana governemanta”. Manainga ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tondrozotra koa ny FINONA hanaja ireo fepetra voalaza sy hitsinjo ny tombontsoan’ny Malagasy ho antoka hiverenana amin’ny rafitry ny lalàmpanorenana.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT