Fikasihan-tanana mpanao gazety tany Toliara

> Manameloka ny herisetra amin'ny endriny rehetra ny Minisiteran’ny Serasera


  • Alakamisy 09 Janoary 2014

Na dia efa milamina aza ny raharaha mahakasika ny fanaovana herisetra tamin’ny mpanao gazetin’ny RNM/TVM Toliara, Siely Landernaux, ny harivan’ny sabotsy 04 jolay teo, dia manameloka ny fihetsika tsy faneho masoandro mamohehatra amin’ny fikasihan-tanana mpanao gazety ny Minisiteran’ny Serasera.

Omaly ihany dia nampanantsoin’ny raiamandrenibe mpitankazomanga avy ao amin’ny “Tokobe Telo” izay foko niavian’ilay kandidà depiote sy ilay mpanao gazety izy mirahalahy namitram-pihavanana. Niaiky ny hadisoany teo anatrehan’ireo raiamandreny ara-drazana ilay kandidà depiote nanao amboletra niditra tao amin’ny Soatalily izay nanosika sy nikasi-tanana an’i Siely Landernaux ka nampitrosona amin’ny tany ity mpanao gazety ity. 

Na izany aza, naneho ny alahelony, nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao notontosain’ny sampandraharaha iraisam-paritry ny Serasera Atsimo Andrefana sy Menabe, tao amin’ny «Zaza Club» Toliara, afak’omaly 7 janoary, teo anatrehan’ireo olom-panjakana sy parlemantera ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera, Ramanakamonjy Guy Laurent. Naneho ny alahelony ity farany ary manameloka amin’ny heriny rehetra ny fihetsika mamohehatra atao amina mpanao gazety manatanteraka ny asany, indrindra manoloana izao raharaham-pifidianana mila fitoniana izao.

Manao antso avo amin’ireo mpanao politika zatra ny lalan-dririnina ny Minisiteran’ny Serasera mba «tsy handrahona sy hikasi-tanana mpanao gazety satria nanao ny asany araka ny voafaritry ny lalàna izy ireo ary tsy azo ekena ny fihetsika feno herisetra mamohehatra tsy faneho masoandro toy izao na avy amin’iza na avy amin’iza», hoy ny fanambarana.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT