Fikasana hamoaka 16 miliara Ariary

> Mpiasan’ny Prezidansa hatao famotorana etsy Anosy anio


  • Alarobia 04 Desambra 2013

Soa fa nisy iny resaka fanasoketana ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny vola sy ny tetibola sy Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana iny raha tsy izany dia nipirina sy vita mora tany ilay raharaha fikasana hamoaka vola 16 miliara Ariary tao amin’ny BCCM.

Efa navotsotry ny zandary mpanao famotorana tokoa mantsy ireo mpiasan’ny fiadidiana ny FAT mirahalahy nanao ity fikasan-dratsy saingy vao mainka nandrisika ny mpitandro ny filaminana hamoha indray ilay raharaha maloto ny hetsika maneho firaisankinan’ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana ho fanohanany ny Tale jeneraliny. Vao nanao iny fitokonana fanairana iny mantsy ny mpiasa ny alatsinainy 25 novambra dia raikitra ny fisamborana ireo olona nahiahiana ka 10 no indray nampanantsoin’ny zandary sy nohadihadiana. Araka ny vaovao azo avy amin’ny zandary ihany dia ireo mpiasan’ny fiadidiana ny Tetezamita teo aloha sisa no miakatra eny amin’ny mpitsara mpanao famotorana anio raha omaly no fotoana voatondro. Andrasana izay ho tohiny. Marihina fa ny BCCM no mpitory amin’ity afera maloto ity.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT