Fikambanana Zanabahoaka

> Nanarina ny zava-bita fanasoavana ny mponina


  • Zoma 08 Novambra 2013


Noho ny tarainan’ny vahoaka dia nanarina ny fotodrafitrasa natsangany fony izy mbola filoham-pokontany tao Antohomadinika III-G Hangar omaly ny filohan’ny fikambanana Zanabahoaka Andriamamonjisoa Rolland Pascal sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Efa tamin’ny taona 1998 no vita ny tetezana ahafahan’ny mponina miampita ny “canal C3” eo amin’ny lakandranon’Andriantany ka mampitohy ireo vakim-paritra maro ao amin’ity Fokontany ity saingy tapaka satria tsy voakarakaran’ny mpandimby taty aoriana. Tsy iandrasana izay tsy ho afaka ny fanasoavana ny vahoaka, hoy ity filohan’ny Zanabahoaka sady kandidà ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany Voalohany eto Iarivo ity ka izay no anton’izao fanarenana natao izao. Marihina fa mirefy roapolo metatra eo ho eo ity tetezan-kazo nasiam-panarenana tao Antohomadinika ity ary volan’ny fikambanana madiodio no nanaovana ny asa rehetra.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT