Fikambanana Vahoaka Ihany

> Tafita ny antso ho an’ny fiaraha-miasa amin’ny daholobe


  • Alatsinainy 18 Novambra 2013


Taorian’ny fanatanterahana ireo fotodrafitrasa tena ilain’ny mponina eny anivon’ny Fokontany eny amin’ireo Kaominina 14 mandrafitra ny Distrikan’Avaradrano dia nanapa-kevitra ny niantso ny daholobe tsy an-kanavaka, indrindra ireo olom-boafidy sy ireo mpandraharaha, ny fikambanana Vahoaka Ihany tarihan-dRavelonanosy Bruno Bati mba hitafatafa tamin’izy ireo teny amin’ny Espace Ny Tiana teny Lazaina omaly. Maro no namaly ny antso ka nisy nanonona fiaraha-miasa amin’ity fikambanana ity hampanjariana bebe kokoa ny asa sosialy efa natomboka. Natao izao hetsika izao,  hoy Atoa Ravelonanosy Bruno, hanaporofoana fa tsy hahavita irery an’Avaradrano izahay fa isika rehetra no tompony. Tsy maintsy harenina ity firenena ity, hoy izy, fa tsy hampiainana ny ankizy dimby rahatrizay ny fahantrana mianjady ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT