Fikambanana «Mampiray»

> Mivory fijery mitodika amin’ny fampandrosoana


  • Alakamisy 07 Novambra 2013


Natsangana tamin’ny fomba ara-panjakana omaly 06 novambra 2013 ka nampahafantarina ofisialy ho fantatry ny mpampahalala vaovao ny fikambanana «Mampiray». Araka io anarana entiny io dia tanjona ifotoran’ny fikambanana ny hitaiza na koa hifampitaiza amin’ny mpiray tanindrazana mba hanana fijery tsy manilika ny hafa fa mijery mitodika amin’ny fampandrosoana. Tsapan’ireto olona maromaro vitsivitsy nivondrona ho ao amin’ny fikambanana «Mampiray» ireto fa fositra tsy nampandroso an’i Madagasikara ny fizarazarana noho ny antony samihafa ka anisan’ny antony nananganana ny fikambanana izany. Faritra 8 dia Anosy, Amoron’i Mania, Sofia, Vatovavy Fitovinany, Matsiatra Ambony, Analamanga, Melaky ary Atsinanana no efa ahitana ny fikambanana. Ankoatra izay dia misy mpikambana nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka. Tanjon’ireo ho mpanao lalàna ireo ny hanitatra ilay fomba fijery iraisany mba ho lasa lalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana mihitsy.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT