Fikambanana IRAY AINA

> Namongotra voalavo niaraka tamin’ny mpianatra monina eny Ambohipo


  • Sabotsy 09 Novambra 2013

Mitohy ny hetsika fijerena ny sosialim-bahoaka fanaon’ny fikambanana IRAY AINA tarihan’Atoa Andrianjavony Andry CT teo aloha ary kandidŕ solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany faharoa eto Antananarivo Renivohitra.

Nirodorodo niaraka tamin’ny mpianatra eny amin’ny Oniversite Ankatso monina eny Ambohipo ry zareo omaly, nanao fanadiovana faobe ny tanàna ho famongorana ny bibikely samihafa sy ny voalavo izay mirongatra tokoa ankehitriny eny amin’iny faritra iny. Noho ny fangatahan’ireo mpianatra monina eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra eny Ankatso sy eny Ambohipo no antony nitondranay ireo fitaovana hitanareo ireto, hoy ny kandidà Andrianjavony, heverinay fa hampitony ny sain’ny tanora mpianatra tokoa hahazoana manovo fianarana anaty filaminana ny fananana tanàna madio tsy misy biby samihafa manelingelina. Hotohizana anio sabotsy 9 novambra eny amin’ny Cité Ankatso I sy Ankatso II ity hetsika famongorana voalavo hiarahan’ny mpianatra manatanteraka amin’ny fikambanana IRAY AINA ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT