Fikambanana GTT Madagasikara

> Nanolotra zotra Kofia hampitohy an’i Morarano Ankadiefajoro sy Cnaps


  • Alarobia 13 Novambra 2013


Notontosaina teo anoloan’ny biraon’ny Fokontany Morarano Ankadiefajoro eny Mahalavolona Andoharanofotsy omaly ny lanonana tsotra nanoloran’ny fikambanana GTT Madagasikara sy ny kaoperativam-pitaterana Kofia ny zotra hampitohy an’ity Fokontany ity amin’Andoharanofotsy sy Cnaps Ampefiloha. Avy amin’ny fangatahan’ity Fokontany ity efa an-taonany maro no nandrisika ny GTT Madagasikara nitady fiaraha-miasa tamin’ity kaoperativa ity ka izao nody ventiny izao ny rano nantsakaina. Hanala fahasahiranana ny mponina eny an-toerana voatery mandeha an-tongotra 6 km miala any Ankadivoribe sy ny manodidina  ity zotra ity izay hampiasa fiara 20 ho fanombohana araka ny nambaran’ny filohan’ny Kofia, Rabarison René. Efa tafiditra ao anatin’ny lamina maty paikan’ny GTT Madagasikara efa ela izao tetikasa izao, hoy Atoa Ramanantsoa Herilalao filoha lefiny ary manaraka ny tarigetran’ny fikambanana dia ny asa haingana nefa ara-dalàna.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT