Fikambanana Fivamia

> Mitohy ny fiaraha-miasa amin-dRatovonandrasana Irčne


  • Alatsinainy 18 Novambra 2013


Taorian’ny fanolorana lamba mafana ho an’ireo zokiolona sy famorana faobe notontosaina tamin’ny fotoanan’ny ririnina teo ary ny fanolorana «kit scolaire» tamin’ny fotoam-pidiran’ny mpianatra dia nitohy tamin’ny fizarana zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ny vehivavy mpikambana sy baolina filalaovana rugby ho an’ny ekipan’ny CRXV TA Anatihazo omaly teny amin’ity Fokontany ity ny asa soa fanaon’ny fikambanana Fivamia (FIkambanan’ny VAhoaka Miray) tarihan-dRandrianiainasoa Jenny Claudia. Tsy tapaka nanome tanana ity fikambanana ity tamin’ireo asa sosialy rehetra voatonona efa nataony ireo ny MCT Ratovonandrasana Irène ary mbola tonga nanome voninahitra ny hetsika sy niara-nizara ny fanomezana ho an’ireo voakasika tamin’ny mpikarakara omaly alahady 17 novambra. Marihana moa fa anisan’ireo kandidà ho solombavambahoaka miisa 28 ao anatin’ny Boriborintany I eto Antananarivo Renivohitra ity filoham-pokontanin’Antaniavo teo aloha ity.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT