Fikambanana FIMAMI

> Mamaha olana sy manampy ny mpiara-belona aminy hatrany


  • Alarobia 20 Novambra 2013

Mitohy hatrany ny asa fanampiana ny vahoaka iantsorohan’ny fikambanana FIMAMI na ny (Fikambanana Malagasy Mijoro) tarihan’ny Dr Benessy Harison Sébastien ao Toamasina.

Nanao asa fanotofana ny lalampasika maro tao amin’ny Fokontany Ankirihiry sy ny lalankely
antsefatsefan’ny tsenan’Ambolomadinika, ary nanatsara ny lakandrano tao Mangarano izy ireo ny sabotsy tontolo andro teo. Asa tanamaro niarahana tamin’ireo mponina isaky ny Fokontany sy ny Faritra nohatsaraina ka ahazoana tambiny ara-bola no nenti-nanatanteraka ny asa hatrany hatrany, ka olona nahatratra hatramin’ny 600 no nahazo tombontsoa mivantana ara-bola tamin’izany, raha ny vahoaka rehetra no niara-voatsinjo sy ho afa-pahasahiranana tamin’ny asa vita amin’izao fiavian’ny fotoam-pahavaratra izao. Tsy mijanona hatreo akory ny asa ho an’ny Fikambanana, fa tahaka izay efa natao sy fanao hatramin’izay dia hotohizana sy hohatsaraina hatrany mba hanasoavana ny vahoaka manontolo. Ny alahady tolakandro kosa dia nifamotoana tamin’ireo mpianatra mpikambana FIMAMI ao amin’ny oniversite Barikadimy ny mpitarika ny fikambanana. Nilaza ny Dr Benessy Harison Sébastien fa hanohana ireo tanora ireo ka hiantohana ny fisian’ny cercle d’étude, sy ny fampitaovana ara-informatika ny Espace FIMAMI universitaire sy ny fametrahana «stock de sécurité» ara-pahasalamana eny Barikadimy eny.

Fanja Toamasina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT