Actualités

Fikambanana Efajoro Hanampy ireo olona tsy mahay sy tsy an’asa eny Atsimondrano


  • Talata 05 Jolay 2016

Taorian’ny fijerena akaiky ireo ankizy mpatory an-dalana eto an-drenivohitra, ny fanomezana fitaovana ireo ankizy hiatrika ny

fanadinana CEPE ao Toamasina dia hitodika amin’ireo olona mila fanampiana eny amin’ny Faritra Atsimondrano indray ny fikambanana Efajoro, tarihin’ny filohany Razafimandimby Rija Ethel  manomboka amin’ity volana jolay ity. Voakasik’izany manokana ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra na lehibe na kely. Toraka izany koa ireo mahay ihany saingy mila tohana manokana amin’ny famolahana sy ny fampiasana ireo tenim-pirenena vahiny toy ny Frantsay ankoatra ireo tsy an’asa  nefa tsy manana fahaizana manokana hahafahany mivelona. Hampidirina indrindra ao anatin’izao fialantsasatra lehibe izao ny  fanomezana fiofanana azy ireny ka ny fikambanana avokoa no hiantoka ny lany rehetra. Ho an’ireo tsy an’asa manokana moa dia fantatra  fa ny hahatonga azy ireny tsy ho vesatry ny fiarahamonina no tanjona hahafahana mamoha indray ireo karazana talenta ao anatiny toy ny fanamboarana taozavatra. Nisy ny fitsidihana notanterahin’ny mpikambana tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny faran’ny herinandro teo  nijery manokana ny  olana mianjady amin’ny mpiasa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT