Fikambanana Aron’ny Vahoaka

> Nitafa nivantana tamin’ny mponina teny amin’ny faritra iva


  • Alatsinainy 18 Novambra 2013


Ny Fokontany IVO, Ambalavao Isotry, Antohomadinika, Andohatapenaka manamorona ny tetezan’Ampasika ary teny Anjezika I sy Antetezana Afovoany II no toerana notsidihan’ny fikambanana Aron’ny Vahoaka notarihan’ny filohany Ravelojaona Andry Hariniaina (La Pie) ka nitafatafan’izy ireo nivantana tamin’ny mponina teny an-toerana ary nanaterana fitaovam-piasana toy ny borety … hoenti-manadio ny tanàna manomboka anio alatsinainy ho tohin’ny efa marobe natao hatrizay. Nahitsy ny hafatra nampitain-dRavelojaona Andry Hariniaina tamin’izany : tonga ny fotoana hampanjariana ny fijerena ifotony ny vahoaka fa tsy ho kobaka am-bava toy izay nisy hatramin’izay. Ny lalàna rehetra hiadiana rehefa mby eny Tsimbazaza ny tena, hoy izy, dia tsy maintsy haompana amin’izay mifanandrify amin’ny hahazoan’ny vahoaka sahirana toa anareo tombontsoa amin’ny famelana ny rehetra hanao malalaka ny asa fanaony andavanandro tsy misy sakantsakana.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT