Fikambanana Alaotra Miray Hina

> Vary sy rano amin’ny vahoakan’Ambatondrazaka


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013

“Mitabe tsy lanin’ny mamba”, “Tondro tokana tsy mahazo hao”, “Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika”, “Akanga maro tsy vakin’amboa”, ohabolan-drazana tena harena sady lova nefa zary angoa-tenda tsy nampiharina, tsy iainana eo anivon’ny fiarahamonina intsony.

Ny fikambanana “Alaotra Miray Hina” raha natsangana dia tsy hanao fitaovana politika velively ireo mpiara-belona aminy, fa vovonana sy sehatra ifanoloran-tanana sy valin-tanana ho an’ny samy Malagasy mifaka marina amin’ny vokatry ny taniny ho fototry ny fampandrosoana marina ny maha olona manontolo anatin’ny fifampitsinjovana tanteraka. Ireo no anisan’ny antony nanosika an-dRamatoa Andriamasimanana Auréline sy ny mpikambana ao amin’ny “Alaotra Miray Hina”, araka ny nambarany nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety eto amin’ny gazety “Tia Tanindrazana” nandritra ny fandalovany teto an-drenivohitra. “Vary sy rano, an-tsaha tsy mifandao, an-tanàna tsy mifanary” tokoa no azo ilazana ny vahoakan’Ambatondrazaka sy ny Fikambanana “Alaotra Miray Hina” tarihin-dRamatoa Andriamasimanana Auréline hatrizay nijoroan’ny fikambanana satria asa sosialy sy fifanomezan-tanana hatrany no nisy teo amin’ny roa tonta raha tsy hitanisa ireo fandraisana an-tanana ny mpampianatra FRAM amin’ny sekoly maro, fanarenana sy fanavaozana ireo tafontranon-tsekoly, fanolorana dabilio am-polony maro ireo sekoly fanabeazana fototra vitsivitsy nila izany ao anatin’ny Disitrikan’Ambatondrazaka tampon-tanàna. Iray amin’ireo tanjona imatimatesan’ny Fikambanana ny hampidirana an-tsekoly maimaimpoana ny zaza tokony hiditra an-tsekoly manerana ny Disitrikan’Ambatondrazaka, satria zava-dehibe loatra amin’ny hoavin’ny firenena ny fahalalana omena ny zaza.

Nisy ihany koa ny fanolorana milina fanjairana ho an’ireo vehivavy ho fanampiana azy ireo amin’ny sehatry ny fihariana hampitombo ny vola miditra amin’izy ireo. Fanirian’ny Fikambanana “Alaotra Miray Hina” ny mba hisian’ny tanora mpanao fanatanjahantena avy ao Ambatondrazaka hilalao ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny taranjam-panatanjahantena maro, izay antony nahatonga ity fikambanana ity nanolotra fitaovam-panatanjahantena ireo gaonan’Alaotra, toy ny akanjo fitondra milalao, baolina ary ny fikarakarana fifaninanana ara-panatanjahantena nisian’ny fifampikasohana teo amin’ny samy gaona sy fifanakalozana ara-teknika teo amin’ny mpifaninana. Tsy nohadinoin’ny fikambanana ihany koa ireo Zokiolona amin’ireo asa sosialy sy fifananomezan-tanana fanaony amin’ireo mponina manerana ny Fokontany miisa 198 misy ao amin’ny Disitrikan’Ambatondrazaka tampon-tanàna.

Ampahany amin’ny fifamatorana matotra eo amin’ny vahoakan’Ambatondrazaka sy ny Fikambanana “Alaotra Miray Hina”, izay nandrotsaka an-dRamatoa Andriamasimanana Auréline ho kandidà Solombavambahoaka ao Ambatondrazaka ireo fa mbola ho betsaka noho ireo voatanisa ireo ny asa sosialy sy fanohanana ny mpiara-belona hataon’ity Fikambanana “Alaotra Miray Hina” ity satria ny fifankatiavana sy ny fifanoloran-tanana no zava-dehibe amin’izy ireo.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT