Mandeha ny feo eo anivon'ireo mpitarika ny hetsiky miaramila manamboninahitra lefitra fa misy vola be any ho any hozaraina.
Hatramin'ny omaly dia tsy fantatra mazava na izay olona omena ny vola na ny toe-bola homena. Araka ny resaka mandeha dia anisan'ireo hotambazana amin'ity vola be ity ireo mpitarika ny Cosofam na ny fikambanan'ny manamboninahitra lefitra eo anivon'ny Tafika. Isaky ny vondron-tafika anefa dia misy filohan'ity Cosofam ity. Tsy ho sarotra ihany koa anefa ny hizara izany vola be izany raha toa ka misy tokoa ny fizarana. Tsy vitsy ihany koa ireo miaramila maniry ny hahazo izany vola izany manerana ny nosy mihitsy. Anisan'ny fitakian'izy ireo rahateo ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon'ny filohan'ny FAT hanatsarana ny fiainan'ny miaramila tsirairay. Toa ho sarotra ho an'ny FAT ihany anefa izany satria efa nisy ny teny natsipy fa tsy manam-bola ny fanjakana raha ity fitakian'ny miaramila ity.
Etsy andaniny, tsy ny miaramila no nangataka fa ny filohan'ny FAT no nampanantena ny hijery ny fiainan'ny miaramila. Izy rahateo zanaka miaramila. Ankoatra ireo dia manginy fotsiny ny fitakiana ny fampiharana ny “assise militaire” teny Ivato tamin’ny 2009. Lasan-ko vavany fotsiny mantsy iny resaka iny. Ny filohan'ny CMDN izay tokony ho nanara-maso ny fampiharana azy dia efa nahazo galona kintana efatra (Général de corps d'armée) ka tsy dia miteny intsony mikasika iny fihetsiketsehana teny Ivato iny. Inona no avoakan'ny ampitso mikasika ity raharaha eo anivon'ny Tafika ity ?
Titan
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.