Fihaonana antampony afrikanina ao Paris

> Tsy voaasa ny filohan’ny tetezamita ?


  • Alatsinainy 11 Novambra 2013

Hotanterahana any Paris, renivohitr’i Frantsa mandritra ny roa andro dia ny zoma 06 sy sabotsy 07 desambra 2013 izao ny fihaonana antampony mikasika ny fandriampahalemena sy ny fiarovana aty Afrika.

Raha ny vaovao niparitaka dia mahatratra hatrany amin’ny 40 mahery ireo filoham-panjakana afrikanina voaasa handray anjara amin’io fihaonana manan-danja ho an’ny kaontinanta afrikanina io ankoatra ireo tompon’andraikitra mpitantana vondrona iraisam-pirenena toy ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Ban Ki-Moon, Herman Van Rompuy sy José Barroso avy amin’ny Vondrona Eoropeanina na koa ramatoa Nkosazana Dlamini Zuma tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Vondrona Afrikanina. Fantatra kosa fa tsy nahazo fanasana avy amin’ny filoham-pirenena frantsay, François Hollande hiatrika io fivoriambe io ny filohan’ny tetezamita Malagasy Rajoelina Andry Nirina. Na izany aza dia tsy maintsy hisy ny solontenam-panjakana Malagasy hanome voninahitra io fifampidinihana momba ny filaminana amin’ny ankapobeny aty Afrika io amin’ny herinandro voalohan’ny volana desambra io. Raha ny fomba amam-panao hita hatramin’izay aloha rehefa misy ny tsy fahafahan’ny filoham-panjakana manatrika izany dia matetika ny praiminisitra no tsy maintsy misolotena ny fireneny. Azo ambara, araka izany, fa dia hivantana any amin’ny lehiben’ny governemanta Beriziky Jean Omer ny fanasana avy amin’ny filoham-pirenena frantsay. Ny manitikitika ny saina momba ity raharaha ity dia ny hoe fa angaha moa tsy efa nahazo fankatoavana tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fijoroan’ny tetezamita  Malagasy taorian’ny fanasoniavana ny tondrozotra ? Sa mbola mitombina ilay hoe tsy mahazo alalana mivahiny ao Frantsa ireo rehetra voarohirohy tsy nanaja ny fifanarahana sy ny teny nomena ?

Ramano F.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT