Efa tamin’ny 31 aogositra taona 2008 no niteny tamin’ireo mpaminany Andriamanitra mikasika ny hisian’ny fifohazam-panahy lehibe eto amintsika hanavotana izao tontolo izao, hoy ny pastera Vato
Fenohery. Amin’ny alalan’ilay fiangonana vaovao vao hatsangana “Ziona famonjena” izay hitsena ny mpampakatra ary iray ihany izy rehetra maneran-tany no hanatanterahan’Andriamanitra izany, hoy hatrany ity pastera ity hahafahana manafaka ny firenentsika amin’izao olana lalim-paka mianjady aminy izao izay saika hiainan’izao tontolo izao mihitsy. Raha manaiky izany ny mpitondra antsika ankehitriny dia ny tantaran’i Moderkay ao amin’ny bokin’i Estera no hotanterahin’Andriamanitra eto amin’ny tanintsika. Raha tsy manaiky izany kosa anefa izy ireo dia mahita lalana hafa hahafahana manatanteraka ny fikasany Andriamanitra. Nambarany hatrany moa fa dimy lahy izy ireo no voatendrin’Andriamanitra hanatanteraka ny asa miampy ireo pastera avy any amin’ny fiangonana hafa izay voafidy ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.