Fifidianana Solombavambahoaka

> Nirotsaka hofidiana i Eric Kely


  • Sabotsy 23 Novambra 2013


Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary no nampahafantaran’ny fikambanana ENA ny kandidany ho solombavambahoaka ao amin’ny firaisana faha-4 ny alakamisy lasa teo. Randriamalala Eric Jocelyn izay fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe Eric Kely no nosafidian’ny fikambanana tamin’izany. Nambarany nandritra ny firesahany tamin’ny mpampahalala vaovao fa vonona izy hanampy io faritra niaviany io hihoitra satria heveriny fa manana ny herijika hampivoatra azy ny Boriborintany faha-4. Tsy hanao ambanin-javatra ny resaka fanatanjahantena sy ny fitaizana ny tanora velively aho, hoy Randriamalala Eric Jocelyn fa ho hita any anatin’ny praogramanasako mandritra ny fampielezan-kevitra izany.

 

 Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT