Fifidianana depiote

> Nibaribary ny hala-bato tao Antsirabe


  • Alakamisy 26 Desambra 2013

Nibaribary ny hala-bato tamin'ny fifidianana solombavam-bahoaka tao Antsirabe renivohitr’i Vakinanjara araka ny porofo dia ny fitanana an-tsoratra sy ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo nanatrika izany.

Nifamadika tanteraka indray mantsy ny voka-pifidianana na mbola vonjimaika aza satria raha toa ka efa nitarika tamin'ny isam-bato 27,41% ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana, Michel Ambalavato tamin'ireo fitanana an-tsoratra sy ny fitanana an-tsoratra nataon'ireo Vavolombelona Miaro ny Vokam-pifidianana ary ireo olona nanisa ny vato, ary 25,15% ny azon'ny kandidà Razanakolona Paul faharoa voanjimaika taorinany, dia nanjary 26,82% indray no azon-dRazanakolona Paul ary 26,38% ny an'i Michel Ambalavato raha ny vokam-pifidianana vonjimaika navoakan'ny SRMV tao Antsirabe. Nilaza i Michel Ambalavato fa nanesorana 502 teo ny vatony ka tamina biraom-pifidianana niisa sivy no nakana ireo. Voakasikan’izany ny biraom-pifidianana tao amin'ny Fokontany Ambalavato misy azy. 203 ny isam-bato azony ary 64 ny an'ny mpifaninana aminy, lasa 164 indray anefa ny vato azon'i Michel Ambalavato navoakan'ny SRMV ary 103 ny an'i Paul Razanakolona. Kolikoly avo lenta no andraisan’ny kandidà Michel Ambalavato ity resaka ity fa tsy hadisoana tsotra. Milaza koa izy fa misy kandidà hafa nanaiky ny nampitahana ny fitanana an-tsoratra tany aminy, ankoatra ireo vavolombelon'ny fanisam-bato toa an’Atoa Andriamajato Bruno, izay nampiseho mihitsy ny nandraisany naoty tamin'ny androm-pifidianana. Nanambara araka izany ny movansy Ravalomanana izay nanohana ny kandidà Michel Ambalavato fa tsy hanaiky hatramin'ny farany izy ireo raha tsy misy ny fampitahana ny fitananana an-tsoratra. Hisy sahady koa ny hetsika hataon'ity kandidà ity ho fanairana ny fitondram-panjakana ato ho ato. Tetsy andaniny moa dia efa nanao fanasam-be tamina toeram-pisakafoanana iray ao Antsirabe ny kandidà Razanakolona Paul fa efa lany ary efa nahazo toky ny tenany fa tsy hiova io vokatra io !

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT