Fifidianana

> Nihena ny taham-pahavitrihana


  • Sabotsy 21 Desambra 2013

Mbola nahitana olona mitady ny kara-pifidianana hatrany tamin’ireo birao fandatsaham-bato maro teto Antananarivo omaly.

Tsy vitsy tamin’ireo olom-pirenena tsy afaka nifidy tamin’ ny fiodinana voalohany ka niverina nisoratra anarana teny amin’ny Fokontany ary nanana taratasy fanamarihana izany koa anefa no tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana. Na ireo mpiasan’ny birao fandatsaham-bato na ny delegen’ny kandida na koa ny tomponandraikitry ny CENI-T tamin’ireny birao fandatsaham-bato ireny dia samy milaza ho tsy mahalala izay tokony akana ireo karatra vaovao. Nanamarika iny fandatsaham-bato omaly iny koa ny fihenan’ny taham-pahavitrihana. Tsy nisy intsony ny filaharam-be sahala ny fihodinana voalohany. Nilaza ny tomponandraikitry ny biraom-pifidianana iray teny Betongolo fa noho ny fanamafisana ny fiofanana nomena ireo tomponandraikitra teny anivon’ny biraom-pifidianana no nampihena ny filaharambe. Ankoatra izay dia efa nesorina sy nosoloina koa ireo tomponandraikitra tsy nanara-dalàna tamin’ny fihodinana voalohany ankoatra ny fandoavana mialoha ny tambikarama sy solon-tsakafo ka nanao ny asany ara-dalàna avokoa ny rehetra.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT