Hotontosaina ny 19 sy 20 aogositra 2016 ny fifaninanam-pirenena hira frantsay karakarain’ny Alliance française eto Madagasikara.
Nisokatra tamin’ity fiatombohan’ny volana jolay ity ny fisoratana anarana ho an’ireo kandida handray anjara. Tsy hifarana kosa izany raha tsy ny 12 aogositra 2016. Hetsika izy io natao hampisongadinana ny talentan’ireo tanora vao misandratra. Loka miandry ny mpandresy ny fitsidihana an’i Frantsa mandritra ny herinandro hiantohan’ny ivontoeran’ny kolontsaina frantsay sy ireo mpiara-miombon’antoka. Hisalotra ny lokon’ny fihaonana tampon’i Frankofonia andiany faha-XVI izay hampiantranoan’ny firenena Malagasy amin’ity taona 2016 ity moa io fifaninanana andiany faha-5 io.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.