Fifampitifirana tany Ankazoabo Atsimo

> Zandary iray sy polisy iray maty, polisy iray hafa naratra mbola karohina


  • Alarobia 13 Novambra 2013


Vokatry ny fifandonan’ny mpitandro filaminana nanara-dia omby very nandritra ny fampandriantany nanomboka ny 4 novambra lasa teo, dia raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny malaso sy ireo mpitandro filaminana miisa 31 (zandary ny 21, 5 avy kosa polisy sy tafika) nanao «opération spéciale mixte», ny  sabotsy teo, nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny roa ora sy sasany, tao Ramangarahara, Kaominina Tandrano, Distrikan’Ankazoabo Atsimo. Zandary kilasy faharoa iray sy polisy iray no maty lavon’ny balan’ireo dahalo maherin’ny 80 lahy nanao fanamiana miaramila ny sasany nitondra basy «kalach» sy «Mas 36». Dahalo 17 kosa voasambotry ny mpitandro filaminana atao fanadihadiana amin’izao.

Tsy mbola nisy tafaverina amin’ny tompony kosa ireo omby 41 noravain’ny malaso teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana. Polisy iray naratra voatifitra teo amin’ny feny afaka nandositra tsy hita popoka na maty navelona mbola karohina hatramin’izao, raha araka ny fanazavan’ny kaomiseran’i Manja, Michel Rawilly, tamin’ny mpanao gazety omaly. Marihina fa ireto mpitandro filaminana lavo am-perinasa ireto dia miasa ao Manja avokoa, ka ny alahady teo vao hita ny razana, ary omaly no tonga tao Toliara renivohitra. Ilay polisy moa navantana ao amin’ny foiben’ny fibaikoan’ny FIP, fa ilay zandary kosa nalefa amin’ny tobin’ny zandarimaria Tsianaloka.  

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT