Fiara vaventy marobe no tratran’ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, notarihin’ny talen’ny kabinetra, kaomisera Alexandre, teny amin’ny Boulevard de l’Europe hivoaka an’Ankazomanga, niditra an-tsokosoko tsy nahazo alalana teto an-drenivohitra omaly maraina. Nandritra ilay hetsika fizarana nofon-kena mitam-pihavanana notontosain’ny Kaominina sy ireo teratany Tiorka teny amin’ny tany malalaka ampitan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy no nisehoan’izany. Hetsika entina hijerena sy hanaraha-maso ny fifamoivoizana no nataon’ity tomponandraikitra ity saingy izao izy nahita maso ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo karazana fiara vaventy izao. Fiara lehibe enina no sarony tao anatin’ny 30 minitra teo ho eo izay nambarany fa hampidiriny “fourrière” avokoa satria tsy manara-dalàna.
Araka ny lalàna velona tokoa mantsy, ho an’ireo fiara vaventy milanja 16 taonina no ho mihoatra dia amin’ny 08 ora alina ka hatramin’ny 06 ora maraina ihany no fotoana hahafahan’izy ireny mivezivezy eto an-drenivohitra mba hisorohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Tsy voahaja intsony anefa io lalàna io tato ho ato fa samy manao izay danin’ny kibony avokoa ny rehetra, antony mampametra-panontaniana hoe : mba manao ny asany ihany ve ireo polisy voatokana ho amin’izany ? Tao anatin’izany moa no nampahatsiahivan’ny talen’ny kabinetra ny mpamily rehetra fa mampigadra ny fandikan-dalàna tahaka izao no sady handoavana sazy. Anisan’ny sazy efa miandry ireto fiara vaventy tratra ireto, ohatra, ny tsy fahafahany mihetsika mandeha mikarama mandritra ny folo andro ankoatra ny lelavola 600 Ar isaky ny tanjaka soavaly isan’andro mandritra ny folo andro ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.