Fidison Green Gasikara

> ”Aleo halan’Andriana toy izay halam-bahoaka”


  • Sabotsy 04 Janoary 2014

Manomboka mandrangitra adim-poko indray ny mpanao politika voakarama ankehitriny, hoy Atoa Fidison mpitondra tenin’ny antoko Green Gasikara manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena.

Fandrangitana ny vahoaka ihany koa no nataon’ny CENI-T amiko, hoy ity mpanao politika ity, tamin’ny famoahana an’iny voka-pifidianana vonjimaika ny zoma 3 janoary iny ary azo ambara mihitsy aza fa fampiadiana ny Malagasy tsotra izao. Ny safidin’ny vahoaka mihitsy no voatohintohina, hoy izy, ka mila mijoro amin’ny fitazonana ny marina izy ireo. Mba manao antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana ny tenako : aoka ianareo tena mba hiaro marina ny vahoaka sy ny fananany satria mbola mitoetra hatrany hatreto ilay fitenenana manao hoe : «Aleo halan’Andriana toy izay halam-bahoaka». Ataoko amin’ny teny vahiny ity hafatra homeko ny vondrona iraisam-pirenena ity, hoy ihany i Fidison : «La Communauté Internationale cautionne-t-elle une fraude électorale massive ?».

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT