Actualités

Fidirana inspektera sy polisy Nofoanan’Ambohitsorohitra ny valim-panadinana


  • Talata 15 Novambra 2011

Inspektera sy polisy tsotra miisa 380 isa no noraisina hianatra ao amin’ny sekoly ENAP Antsirabe nandritra ny fifaninanana farany teo.

 Amin’ny 27 novambra izao no daty fidirana, araka ny lamina napetraky ny ministeran’ny filaminana anatiny. Nofoanan’ny fitondrana indray anefa ny valin’ilay fanadinana noho ny antony tsy fantatra araka ny taratasy nosoniavin’ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny FAT, Rija Rajonhson ny 09 novambra lasa teo. Nisy kolikoly ve ny fanadinana ka tsy maintsy nofoanana sa ahantona aloha mandra-piandry ny fanadihadiana ifotony sa resaka tsy fisiam-bola ? Mametra-panontaniana ny fianakavian’ireo manan-janaka afaka soa aman-tsara tamin’ilay adina eo anatrehan’izany. Sanganehana ireo mpianatra tafita ireo satria efa eto an-drenivohitra ny ankamaroany nanomana ny fidirana dia izao sendra ny didy avy any ambony izao. Maro amin’izy ireo mantsy no avy any amin’ny faritra izay tsy nanomana afa tsy vatsy ampy mandritra ny fotoana voafetra ihany.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT