Fidinan’Ambodivona

> 2CV tapaka hisatra nanosika 4x4 tany anaty hantsana


  • Sabotsy 01 Febroary 2014


Nanapaka ny fahazotoan-koman’ny olona teny Ambodivona ny feo nidoboka toa varatra tao anaty andro maina be. Rehefa samy nikoropaka nivoaka nijery ny rehetra dia akory ny hagagana fa fiara Taxi 2CV6 iray nipatitaka maotera iray manontolo no tazana teo afovoan’ny  arabe. Nisy fiara 4X4 iray an’ny Jirama no latsaka tao anaty hantsana ary nifatratra tamin’ny tranon’olona tao. Ny fitantaran’ny nanatri-maso teny an-toerana no nahafantarana fa tapaka hisatra ity 2CV fototry ny loza ity ka nitsotsotsotso avy any Ankadifotsy any. Nihemotra haka “parking” kosa ilay 4X4 no voadona mafy ka io nilatsaka an-kady io. Naratra ireo mpandeha telo tao anaty taxi ary ilay saofera sy ilay rangahy teo aloha no tena voa mafy tokoa ka tonga dia nentin’ny olona tao amin’ny Clinique des Soeurs izay nandefa azy malaky indray kosa any amin’ny HJRA araka ny fanazavana azo teny an-toerana ihany.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT