Fibodoana tanin’olona

> Lehilahy iray nidoboka am-ponja


  • Alarobia 20 Novambra 2013

Ela ny ela ka nidoboka am-ponja ihany i R.C kalaza amin’ny fibodoana tanin’olona ao Antsirabe.

 

Ny sabotsy 16 novambra teo no natolotra ny fampanoavana ity ranamana ity noho ny fitoriana maromaro nataon’ny olona azy tany amin’ny zandary sy ny tao amin’ny polisim-pirenena fa nandrahona olona isam-baravarana ny tenany taorian’ny nandalovan’ny CST Alain Ramaroson tao Antsirabe ny 18 oktobra 2013 teo. Efa hatramin’ny taona 1990 tany no nanombohan’ilay rangahy ity fibodoana tanin’olona ity ka voalaza fa dia vitany ny mamindra izany amin’ny anarany ary misy tambajotra miara-miasa aminy. Mahatratra 400 any ho any moa ny an-tontantaratasin’ny olona voakasik’ity fibodoana tany ity saingy miala maina eny amin’ny Tribonaly izay mitory azy. Velon-taraina ireo mponina ka nitaraina tany amin’Atoa Alain Ramaroson ka dia izao no tohiny. Ho hita eo indray moa ny fivoaran’ity raharaha ity satria manaraka akaiky izany ny mponina ao Antsirabe.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT