Tsy ampy amin’ny ankapobeny ny serasera amin’ny vahoaka ao anatin’ny fiatrehana ny loza voajanahary tahaka ny rivo-doza Giovanna nandalo an’i Madagasikara omaly.
Raha ny zava-misy tamin’io omaly io mantsy dia mbola be dia be ireo mpiasa sy mpianatra no nanontany tena ny maraina tamin’ny filazana hoe : “tsy mianatra sy miasa avokoa ny rehetra tsy an-kanavaka omaly”. Toa tsy mahatoky ny filazan’ny manodidina sy izay nolazain’ny haino aman-jery ihany koa fa mbola te-hanamarina ny voalaza any amin’ny sekoly na mpampiasa (ary dia nisy tokoa ny nandany fahana nanontany izany tao anatin’ny rivotra nifofo sy ora-nikija be ireny). Raha ny marina dia karazan’ny mifanilaka andraikitra ny mpitondra isan-karazany eto amintsika ka afak’omaly sy omaly ohatra dia ny fanambarana avy amin’ny Praiministra irery ihany no nandeha tamin’ny haino aman-jery amin’ny hoe tsy fiasan’ny mpiasa sy tsy fandehanana mianatra ary mbola nahalankalana aza ny fandefasana izany ary tapaka mihitsy rehefa onjam-peo tsy miankina avy eny Ivato eny sisa no hany tokana nandeha teto andrenivohitra.
Toy ny tsy manana andraikitra amin’ny trangan-javatra raha ny marina ireo ministra isan-tokony (fitaterana, famantarana toe-trano, fampianarana, varotra sns…) na ireo Lehiben’ny Faritra sy lehiben’ny Distrika ary Ben’ny tanàna sy Sefom-pokontany fa tsy mba nisy nihazakazaka nanao filazana tamin’ny haino aman-jery na iray aza fa rehefa lasa ny loza vao nihazakazaka nisehoseho etsy sy eroa avokoa (aleo anefa misoroka toy izay mitsabo, hoy ny fitenenana). Amin’ny fotoana tahaka ireny no tena ilana ireo haino aman-jery maniry ohatra ny anana eto amintsika ary mbola hilaina ireo izay maniry hiditra ihany koa satria maro eto amin’ny toerana manerana ny Nosy no tsy maheno sy mahita ny haino aman-jerim-panjakana izay ratsiratsy fitaovana amin’ny ankapobeny ary vitsivitsy mpihaino ihany koa noho ny antony maro samihafa.
Ny nataon’ny onjam-peo tsy miankina iray omaly tontolo andro teto Iarivo izay nampita ny vaovao nivantana an-telefaonina avy amin’ny mponina nilazany ny nanahirana azy avy tany amin’ny misy azy tany sy nampita ny vaovao samihafa no tokony mba nalain’ireo rehetra tahaka na miankina amin’ny fanjakana na tsia, na miankina amin’ny finoana na tsia, na miankina amin’ny antoko politika na tsia fa tsy ny fanaovana angoa-tenda famoahana tora-po tsy hitondra vokatsoa hoan’ny vahoaka efa hianjadian’ny adim-piaiana isan’andro vaky izao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.