Actualités

Fiaran’ny Tiko Bodoin’ny olon’ny FAT


  • Talata 31 Janoary 2012

Manana ny porofo rehetra momba ny halatra sy figiazina nataon’ny FAT ny entan’ny Tiko ireo mpitantana azy.

 Am-pelatanana ka havoaka amin’ny fotoana mahamety azy ny famoahana vary sy menaka tany Toamasina, hoy ny mpisolovava Radson Solo. Notsorin’ity farany koa fa misy amin’ny mpitondra ambony ao amin’ny FAT no mampiasa ny fiaran’ny orinasa hatramin’izao. Marihina fa ny fiara marika Mercedes tsy mataho-dalana tsy laitran’ny bala izay an’ny filoha Ravalomanana koa dia ampiasain’ny mpikambana ao amin’ny CST ary efa novaina ny lokony sy ny laharany. Miandry fotoana kosa ny fihodinan’ny orinasa Tiko indray raha ny fanazavan’ity mpisolovava ity hatrany ary ny tompony ihany no mahafantatra ny vanim-potoana momba izany. Nitondrany fanazavana ihany koa ny fandrobana nahazo ity orinasa ity ny 26 janoary 2009. «Lazaina fa vahoaka no nanao azy fa raha tsy nisy nitarika ireny dia tsy nisy ny fandrobana teny araka ireny hita tamin’ny fahitalavitra ireny. Karazana baiko ny teny natao teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ireny fotoana ireny», hoy hatrany ity mpisolovavan’ny vondron’orinasa Tiko ity.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT