Fiarahamonina

> Matahotra maneho ny heviny ny olona


  • Sabotsy 25 Janoary 2014

Ny tsapa taorian’ny fanadihadiana samihafa natao taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ofisialy ho filoham-pirenena dia toa matahotra maneho heviny ny ankamaroan’ny mponina ao Toliara sendra anay, manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao, ny momba ny famindram-pahefana nataon’ny filohan’ny FAT tamin’i Hery Rajaonarimampianina omaly, ary ny mahakasika fianianana hataon’ny filoha vaovao etsy Mahamasina anio.

Lasa ihany ny saina raha bangoina ny fahitana ny zava-misy ao amin’ny tanànan’ny masoandro ! Manjaka ve ny ramatahora an-kolaka manoloana ireny tsaho ninian’ny sasany naely ireny, sa mbola samy miandriandry ny toromarika amin’izay lalan-kaleha ny olona. Hatramin’ny tompon’andraikitra sy mpilomano politika dia tsy ahitan-teny nefa Faritany malaza mafana tsy manaiky lembenana amin’ny tsindry mahazo azy i Toliara amin’ny ankapobeny. Izay sendra anay dia samy nilaza fa «tsy manan-kambara». Ny sasany «mbola ho avy ny fotoana».

 


Mahazo laka ny honohono

 

 

Raha fehezina, tsy mbola sahy manambara izay heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny olona ao Toliara. Ny “radio voatavo ” sy ny honohono no mahazo vahana, indrindra ny amin’ireo miady hevitra eny am-pividianana gazety. Misy koa ny mba miezaka mifandresy lahatra eny an-dalambe rehetra eny, fa ny itovizana dia ny ahiahy ny amin’ny ampitso, ny amin’ny ho mety fidangan’ny vidim-piainana atsy ho atsy hampitombo indray ny fahasahiranana efa tafahitsoka lalina, indrindra ny amin’ny fiantraikan’ny fiakaran’ny vidin’ny solika. Efa manao kajy an-kandrina ihany koa ny ankamaroan’ny sendra anay ary maniry mba hisian’ny filaminana sy fiverenan’i Madagasikara amin’ny laoniny amin’izay lavitry ny krizy vaovao.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT