Manomboka anio 1 jolay ny fanesorana ireo fiara tsy mihetsika sy tsy miasa miantsona eny amoron-dalana eto Antananrivo renivohitra, izany no natao dia mba ho tohin’ny fandaminana sy fanadiovana ny tanànan’Antananarivo .
Nangataka fiaraha-miasa tamin’ny orinasa maro teto an-drenivohitra ny CUA, satria tsy maharaka intsony ny toerana fitobian’ny fiara, sarety, moto, posiposy izay tsy manara-dalàna eny Anosipatrana, ka tsy maintsy hikarohana toeran-kafa. Noho izany indrindra dia nangataka tany tamin’ny Orinasa TIKO ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo. Miteraka fitohanana sy manelingelina ny fifamoivoizana tokoa ny fisian’ireo fiara simba na tsy miasa intsony mijanona etsy sy eroa. Manampy trotraka ny sarety sy ny moto tsy manara-dalàna ka mikaroka vahaolana foana ny Ben’ny tanàna. Namaly ny antso ny TIKO ary nampindrana ny tany etsy Andohatapenaka hampiasaina hanaovana izany fanangonana fiara izany mandritra ny fotoana maharitra. Rehefa ilain’ny TIKO ny tany any aoriana any dia averin’ny kaominina aminy madiomadio. Izao fiaraha-miasa izao dia mampiseho ny fahavononan’ny orinasa tsy miankina hanampy sy hifanome tanana ny Kaominina hanarina an’Antananarivo. Voasakana ary tsy navelan’ny polisy voalaza fa avy ao amin’ny Commissariat Central hiditra tao amin’ilay Tanimenabe etsy Andohatapenaka anefa ny fiaraben’ny Kaominina nitondra ireo fiara simba mila atoby ao na dia efa mazava tsara aza ny taratasy ary mazava ihany koa fa ao amin’ny tanin’ny Tiko fa tsy amina tanin’olon-kafa tsy akory no hametrahana azy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.