Actualités

Fianarantsoa Mampiaka-peo koa ny mpianatry ny oniversite


  • Zoma 20 Janoary 2012

Vao maraina dia efa nifamory ny mpianatra teo amin’ny Cité Andrainjato, omaly.

 Ny alarobia hariva dia efa niely ny trakta miendrika fiantsoana fa dia hisy hetsika hataon’izy ireo, hitakiana ny famoahana ny voka-panadinana, izay mikatso vokatry ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka mivondrona eo anivon’ny SECES. Vory maro ny mpianatra io omaly io ary dia nirohotra nihazo ny prezidansa. Nikatona ny birao ka tsy nahatratra olona tao izy ireo. Nivoaka ny faritry ny oniversite izy ireo rehefa izay, sady nandoro fiara iray efa simba tao anaty arabe mihazo an’i Mahasoabe. Valin’ny fanadinana fihodinana voalohany ity takian’ny mpianatr’Andrainjato ity ny famoahana azy. Raha ny feo nandeha omaly dia mbola hanohy ny fitokonana izy ireo anio.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT