Actualités

Fianakaviamben’ny mpitsara Hanasonia tondrozotra ihany koa


  • Zoma 10 Febroary 2012

Nafana ny adihevitra sy ny asam-baomiera omaly tao amin’ilay atrikasa nokarakarain’ny mpitsara etsy amin’ny fitsarana an-tampony Anosy.

 Maro ny sosokevitra, toromarika, fanakianana voaray. Tsy nisalasala ny olona niteny ny tsy mety rehetra ao amin’ny fitsarana, voalohany amin’ireny ny resaka kolikoly mitarika fanovana didy sy fanomezana rariny ny olon-dratsy sy ny fanapotehana ireo izay tsy lava tanana sy tsy manam-bola, miatrika fitsarana. Voaresaka naharitra ihany koa ny mikasika ny teny midina na tsindry bokotra avy amin’ny mpitondra na mpanao politika. Efa mazava moa ny fanambaran’ny sendikan’ny mpitsara momba azy io, fa dia tapitra hatreo ny lalan-dririnina ary tsy hisy intsony izany mpitsara handray baiko avy any ambony izany, fa dia miasa araka ny lalàna velona sy manan-kery izy ireo ary milaza fa tsy hitanila na hitongilana amin’ny famoahana didy, ary tsy hisalasala hamoaka ampahibemaso ny anaran’ireo mpitondra ambony mpanao «intervention » no sady tsy hanaiky intsony ihany koa ny mpitsara mpandoto rano mbola tia manao kolikoly sy mandray vola.

Amin’ity anio ity moa no hivoaka ny fehin-kevitra hamintinana izay notinapaka rehetra nandritra ny telo andro. Raha ny tokony ho izy ihany koa dia hanasonia karazana bokin’andraikitra sy fitsipi-pitondrantena ny mpitsara rehetra. Izany no natao dia mba tsy hijanonana ho kabary sy resabe ary fanambarana fotsiny ny fanovana nambara fa atao, fa tena ampiharina ary samy manaiky ny hanao izany ny rehetra. Vonona ny hijoro hatramin’ny farany hanova ny tsy nety nisy hatramin’izay ny mpitsara, ary manantena ihany koa fa hanohana azy ireo amin’izany ny rehetra, na ny mpitondra io, na ny vahoaka izay tompon’ny fahefana. Nalaza nandritra izao krizy izao moa ny fanasoniavana tondrozotra sy fifanarahana politika isan-karazany, dia efa niaraha-nahita ihany ny fikatsoan’ny raharaha satria samy manana ny fandikany sy ny fahitany ny zavatra nosoniaviny ny mpanao politika tsirairay avy, ka miandry indray ny rehetra hoe : mba hanao ahoana ary ny mpitsara ? Tena hanaiky ny zavatra nekena ary nosoniaviny ve sa hivadi-dela ihany koa any aoriana !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT