Actualités

Fiakaran’ny solika Tsy fahaiza-mitantana


  • Sabotsy 03 Martsa 2012

Raha mbola resaka ny hoe hiakaran’ny vidin-tsolika tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo dia nihatra nanomboka omaly maraina io fisondrotam-bidy io ho an’ny teto Antananarivo Renivohitra, raha efa nialoha lalana ny tany amin’ireo tanŕn-dehibe sasany ivelan’ny renivohitra.

 150Ar isaky ny litatra ny fiakarana ho an’ny lasantsy tsy misy viraty 95, izany hoe lasa 3240 raha 3090 Ar teo aloha. Ny solika fandrehitra nisondrotra 100Ar, izany hoe lasa 2000 raha 1850Ar teo aloha. Nisondrotra 100 Ar koa ny gazoala, izany hoe lasa 2680 raha 2580Ar teo aloha. Niezaka nanazava ny minisitry ny solika Marcel Bernard fa vokatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena hatramin’ny taona 2009 no nitarika io fiakarana io, ka tsy azo ihodivirana.

Tetsy ankilany, nihena ihany koa ny fanampiana omen’ny fanjakana ireo mpandraharaha ny solika, nahafahana nitazona io vidin-tsolika io tsy hiakatra. Nambarany aza moa fa tokony ho 600Ar isaky ny litatra ny sondro-bidy raha ampiharina ny tena vidy marina amin’ny solika mifanitsy amin’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Io aloha no zaka, fa miandalana ny sisa. Misy hatrany anefa ny fifampidinihana amin’ireo mpandraharaha amin’ny solika hamaritana izany. Nanambara koa moa ny minisitra Marcel Bernard fa tsy mbola hisy fiantraikany amin’ny sarandalana io fiakaran’ny vidin-tsolika io. Milaza ho tsy afa-po amin’io fampakarana mihatra hatry ny omaly io anefa ireo mpandraharaha eo amin’ny solika.

Mangina tsy ahenoan-teny ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina eo anatrehan’izany rehetra izany. Izy izay nitrifana sy nilaza tamin’ny teny mahery fa tsy hanaiky velively ny fampakarana ny vidin-tsolika raha nikasa ny hanao izany ireo mpandraharaha ny solika tamin’ny taon-dasa. Mbola tsaroan’ny maro ihany koa ny fampanantenany tamin’ny 2009 raha nitarika olona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey i Andry Nirina Rajoelina toy ny hoe mahita solika mora, sy ny hoe efa eny an-dranomasina mihazo an’i Madagasikara ny vary mora, solika mora … hanamaivanana ny fiainan-dRamalagasy.

Dia narahina fampiantranoana izao karazana mpandraharaha Saodianina samihafa izao nentina teto nampandriana adrisa tamin’ny fampanantenana fa hampidinana hatrany amin’ny 40% ny vidin’ireo zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Dia aiza avokoa ireny izao fa toa vao mainka aza tsy taka-bidy ireny zavatra ireny ankehitriny ? Hirahirain’ny FAT fa manana tahiry vola vahiny amina miliara ny Gasy ao amin’ny Banky Foibe ao. Koa maninona no vao mainka mikorosy ny fiainam-pirenena ary miakatra ny vidim-piainana ? Ventesina fa mampihatra politikan’ny fitsitsiana ny fanjakana nefa dia gaboraraka no miseho satria dia anjakan’ny akamakama sy resa-pianakaviana ny fitantanana ny firenena. Koa mazava ny resaka eto fa dia vokatr’izay tsy fahaiza-mitantana izay no niteraka izao fiakaran’ny solika miseho ankehitriny izao sy ny manaraka izay mbola haterany eo.

Jean D.

Sary : Isan’ny efa nampihatra ny fiakaran’ny vidin-tsolika ireo toby mpaninjara Galana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT