Mampihoron-koditra ny isan-tokantrano nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny nahafantarana fa tsy maintsy hiakatra ny vidin’ny solika, tsy mety hita ny marimaritra iraisana eo amin’ny fanjakana sy ireo kaompania mpanafatra solika lehibe 4 ary ireo mpaninjara solika.
Ireto roa farany moa dia samy milaza fa maty antoka, ka tsy misy vahaolana afa-tsy ny fampisondrotana ny vidin’ny solika. Mandra-piandry ny fanatanterahana izany dia nampihena ny solika novidiany ny ankamaroan’ny tobin-tsolika teto an-drenivohitra, nanomboka omaly. Ireo kaompania mpanafatra solika ihany koa dia efa nampilaza fa tsy maintsy hampihena ny fatran’ny solika vidiana any ivelany izy ireo raha toa ka tsy miakatra ny vidin’ny eto an-toerana, satria halohalika ny ranombary ka tsy afaka ny hanao varo-maty mihitsy izy ireo. Mangina tsy miloa-bava manoloana izany rehetra izany ny fitondram-panjakana, misy ihany ny fivoriana sy fakan-kevitra natao, saingy tena sarotra ny fanapahana.
Zavatra maro mantsy no mifaningotra sy mifampiankina amin’ity vidin-tsolika ity. Iaraha-mahalala aloha fa miakatra isaky ny mihetsika ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, eto Madagasikara dia mihen-danja ny sandan’ny ariary, noho ny tsy fahampian’ny tahiry vola vahiny, nateraky ny fiatoanan’ny fanampiana ara-bola avy any ivelany. Izany no mitranga dia satria tsy mbola eken’izao tontolo izao ny fitondrana tetezamita misy eto, izay tarihan’ny mpanongam-panjakana. Tsy teknika fotsiny ny vahaolana amin’io vidin-tsolika io,fa politika. Tsy maintsy alamina araka ny eken’ny rehetra ny fananganana ny tetezamita, hajaina izay zavatra nosoniavina, tanteraka izay voasoratra, dia miverina tsimoramora eo ny fanampiana.
Sempotra ny toekarena malagasy, tsy misy fahagagana eto fa tsy maintsy mila vola fanampiana avy any ivelany, aloha isika izay vao afaka miarin-doha amin’izao krizy izao. Omaly dia mbola nanamafy ny mpitatitra fa tsy maintsy hiakatra ny saran-dalana manerana an’i Madagasikara raha vao misondrotra eo ny vidin’ny solika. Ireo mpaninjara manitrikitrika fa na dia ampiakarina 300 ariary isaky ny liatra aza ny solika, dia mbola maty antoka ihany izy ireo. Inona indray ny mazia na fahagagana hataon’ny fitondrana tetezamita manoloana izany rehetra izany ? Mety hisy ve ny solika mora ? Azo antoka 100% fa hampiakatra ny vidim-piainana ary hiteraka fipoahana ara-tsosialy goavana izany rehetra izany. Nampanantena fanovana ho amin’ny tsara kokoa i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 kanefa tena nopotehan’ny tsy fahaiza-mitantan’ny FAT ny firenena. Maro moa no efa nilaza tamin’ireny 2009 ireny fa nandrodana fanjakana no tena manavanana an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany, fa tsy ny mitantana firenena, dia izao iaraha-mahita izao tokoa ny vokatry politika sadasadan’izy ireo. Tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny eto, afa tsy olana, krizy, grevy ary fiakaran’ny vidim-piainana. Moa va tsy famonoana ny vahoaka tsotra izao ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.