FFM

> Fakan-tahaka i Mandela


  • Alarobia 11 Desambra 2013


Ohatra fakan-tahaka i Nelson Mandela, hoy ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy manoloana ny zava-misy eto Madagasikara. Raha nanatitra voninkazo fahatsiarovana an’i Madiba teny amin’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo ireo mpikambanana amin’ity rafitra ity notarihan’ny filohany omaly dia naneho ny faniriany mba hiainan’ny mpanao politika Malagasy ny ohatra tsara navelan’i Mandela. «Nogadraina nandritra ny 27 taona izy nefa mahay mandefitra ary tsy nanana lolompo, fakan-tahaka ny toetra toy izany», hoy ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain. Nitodika amin’ireo kandida mirahalahy mifaninana amin’ny fihodinana faharoa moa ny tenany ka nilaza fa ny fanompoana ny vahoaka Malagasy no tokony himasoan’izay lany soa aman-tsara fa tsy hanome toerana ny lolompo sy ny valifaty. Nohamafisiny koa fa tsy mpifahavalo ianareo fa mpifaninana samy te hitondra fampandrosoana.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT