Actualités

Fety lavareny eny Iavoloha Kianin’ny raiamandreny maro ao Amoron’i Mania


  • Alarobia 11 Janoary 2012

Maharitra efatra andro manomboka anio alarobia 11 Janoary izay haharitra hefarana ny lanonana fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny Asaramanitry ny taona 2012 karakarain’ny fitondrana tetezamita ka niantsoany ireo tompon’andraikitra sy sokajin’olona maro eto amin’ny firenena.

 Miavaka tsy toy ny mahazatra ny tamin’ity fotoana ity satria tsy iray andro intsony fa lasa efatra andro be izao ny faharetan’ny lanonana. Araka ny nambaran’ireo raiamandreny to teny mpitandro ny fihavanana sy ny firaisankina ary ny kolontsaina ao Amoron’i Mania izay nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Ambositra omaly talata 10 janoary 2012 dia naneho ny alahelony amin’ny fanavakavahana ireo sokajin’olona nasaina izy ireo. Nambaran-dRasolomampionona François de Paul mitarika ireto raiamandreny ao Amoron’i Mania ireto fa tsy misy ny fanajan’ny Fanjakana foibe ny voninahitry ny tena tompom-pahefana dia ny vahoaka madinika. Tsy ny fanaovana fety fifampiarahabana sy ny faharetan’ny fety no olana, hoy ireto Raiamandreny ireto fa ny fanavakavahana ireo nasaina satria tsy voaasa amin’izao fety izao ireo tantsaha sy mpanao asa tanana ary ny avy amin’ny vahoaka madinika.

Nohadinoin’ny Fanjakana tetezamita sy natao tsinontsinona izy ireo, araka ny nambaran’ireto Raiamandeny ireto ka nilazan’izy ireo fa tsy manjaka eto amintsika ny fahefam-bahoaka sy ny fanajana ny vahoaka izay tompom-pahefana fa manao izay danin’ny kibony fotsiny ny mpitondra. Nampitandrina ny mpitondra, araka izany, ireto olobe ao Amoron’i Mania ireto fa handray fepetra satria tsy mendrika hitondra firenena ny mpitondra manao tsinontsinona ny vahoaka ao aminy izay tsy tokony hampandovaina ireo taranaka faramandimby. Marihana fa tsy manao politika fa miteny hatrany ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena na ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ireto Raiamandreny to teny any an-toerana ireto.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT