“Festival Jerijery” Vavatenina

> Sakoroka nandratra olona efatra


  • Alakamisy 07 Novambra 2013

Miha tsy voafehin’ny mpikarakara ny fanatontosana ny “Festival Jerijery” izay hany hetsika tena ankafizin’ny mponina ao Vavatenina.

Nandritra ny hetsika andiany faha-12 nifarana ny alahady 03 novambra teo raha naharitra dimy andro teo, dia olona efatra no naratra mafy nandritra ny fampisehoana nataon’ny tarika Tsiliva. Tovolahy avokoa izy ireo, eo anelanelan’ny 19 sy 26 taona, izay misy tena voa mafy amin’ny lohany noho ny vely kibay sy tavoahangy ary didy antsy. Nahagaga ny tsy nahitana mpitandro ny filaminana niambina ny hetsika. Nilaza ny kaomisera ao Vavatenina fa “tsy niantso mpitandro ny filaminana ny mpikarakara fa nionona tamin’ny mpiambina sivily fotsiny”, ka mba nankafy ny rindran-kiran’i Tsiliva koa ireo mpitandro ny filaminana. Fantatra koa anefa hatreto fa tsy mbola naharay fitoriana mikasika ity fandratrana olona ity ny zandary sy ny polisy. Miankina amin’izay anefa no ahafahana manokatra fanadihadiana sy fisamborana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT