Raharaha hafa indray ity nitranga tao Fenoarivo Atsinanana ity. Lehiben’ny Faritra indray no mampidaroka olona.
Tsy vitan’izay fa mbola nanambana basy ary “nisy fikasana hamono mihitsy”, araka ny filazan’Atoa Andrianirina Pierre Honoré ilay voadaroka. Ny talata 04 febroary tokony tamin’ny 08 ora alina no nitrangany tao amin’ny “Gare Routière” Fenoarivo Atsinanana. “Tsy fankahalako ny lehiben’ny Faritra, fa ny zava-nanjo ahy no holazaiko aminareo. Efa tena mihoa-pefy ingahy lehiben’ny Faritra. Asa angamba tsara mpiaro izy”, hoy Atoa Andrianirina Pierre Honoré nitaraina. Raha ny fanazavan’ity farany dia resaka fifampikasohan’ny fiara noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana teo amin’ny toeram-piantsonana no niandohan’ny raharaha. Efa niezaka nifona sy nanaiky hanamboatra ny fahasimbana kely tamin’ny fiaran’ny Lehiben’ny Faritra ingahy Honoré nefa dia daroka sy fanambanana basy ary fisintonana “permis de conduire” no setriny. Ny mpiambina ny Lehiben’ny Faritra sy ny mpamiliny no tena nidaroka, ingahy lehiben’ny Faritra kosa nampirisika, hoy ny filazan’ireo nahita. Naratra i Honoré no nampidirina “violon”. Ny 05 febroary tamin’ny 11ora antoandro izy vao navotsotra ary teo vao niezaka nanatona ny hopitaly manara-penitra tao Toamasina hitsabo tena. Voamarin’ny mpitsabo tao fa voa mafy ny lohany sy ny tratrany ary ny taola-masony ankoatra ny fahatapahana tamin’ny rantsam-batany. Mahoraka ao Fenoarivo Atsinanana ity raharaha ity. Tsy mbola nahazoam-panazavana kosa ny avy amin’ny lehiben’ny Faritra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.