Actualités

Fehezan-dalŕnan’ny serasera « Soraty amin’ny teny malagasy », hoy i Andriamihaja Solonavalona


  • Talata 05 Jolay 2016

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra manodidina ny fehezan-dalŕna hifehy ny serasera. “Fanehoan-kevitra no arovana ka ny Malagasy rehetra no voakasika”, hoy i Andriamihaja Solonavalona

. Mihevitra ity mpikambana ao amin’ny Akademiam-Pirenena Malagasy ity fa tokony  hadika  tanteraka  amin’ny  teny malagasy  io  fehezan-dalana  io. Ary io voadika amin’ny teny malagasy io no iadiana hevitra fa tsy izay lalàna amin’ny teny frantsay satria maro ny Malagasy tsy mahay  teny frantsay. Azo tanterahina tsara ny fandikan-teny, hoy hatrany i Andriamihaja Solonavalona, izy rahateo moa mpahay teny Malagasy.

Niantso fivoriana manokan’ny Parlemanta ny fanjakana handany io fehezan-dalàna hifehy ny serasera eto Madagasikara io. Hanomboka anio talata 5 jolay ny fivoriana tsy ara-potoana. Etsy an-kilany, ny mpanao gazety dia nanao fanambarana manohitra ny fandinihana maimaika io fehezan-dalàna io, ary hiverina hanao “Radio miara-manonja” indray rahampitso alarobia 6 jolay, toy ny efa natao tamin’ny zoma 1 jolay, nandraisan’ny radio niisa 33 anjara manerana ny nosy, ankoatra ny tamin’ireo tambajotran-tserasera samihafa.

Jean D.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT