Actualités

Fehezan-dalŕna momba ny serasera Handraisan’ireo depiote fanapahan-kevitra anio


  • Alakamisy 07 Jolay 2016

Fantatra, araka ny fivoriam-baomiera niavaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena ka natrehan’ny solontenan’ny mpanao gazety omaly alarobia 06 jolay,

 

 fa handraisan’ireo depioten’i Madagasikara fanapahan-kevitra mivantana ao anatin’ny fivoriana hitambarambe azon’ny besinimaro hatrehana anio hariva ilay volavolan-dalàna mikasika ny seraseran’ny fifandraisana eto Madagasikara. Tao anatin’ny fivoriam-baomiera manokana nataon’izy ireo omaly hariva ihany fa niova tampoka ilay  isa nankato ny andaniana ity volavolan-dalàna ity ka raha nanodidina ny 18 monja izy ireo no nanaiky ny hirosoana amin’ny fandaniana izany dia lasa niakatra 61 omaly. Nihena ho 2 fotsiny kosa ny nanangan-tanana ny hanemorana ny handaniana azy io ary nisy 6 tsy naneho ny heviny. Etsy an-kilany dia nanambara tao amin’ny radio miara-manonja ny mpanao gazety omaly fa tsy ho eny Tsimbazaza hanatrika ny fivoriana fa hamokatra fandaharana  manokana ho famoahana ny  antontan-taratasy  na dosie an’ireo mpitondra fanjakana eto amintsika ka hanombohana izany hifanindran-dalana amin’ny fandaniana ilay volavolan-dalàna eny Tsimbazaza ny famoahana dosie momba ny minisitry ny serasera Andrianjato Vonison. Nisy moa ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny mpanao gazety sy ny minisiteran’ny serasera teo ambany fiahian’ny PNUD teny Andraharo omaly ka nampatsiahivina ilay volavolan-dalàna momba ny fifandraisana nivoaka avy amin’ny marimaritra iraisana, izay tsy misy olana amin’ny mpanao gazety. Nanapa-kevitra ihany koa avy eo ny hariva ny filankevitry ny minisitra fa misy ny fikitihana sy fanitsiana ilay lalàna 2014-006 momba ny cybercriminalité ka ho hita eo indray ny zavatra hitranga anio.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT