Nilefitra ny fanjakana, tsy lany satria tsy nodinihana akory teny amin’ny antenimieram-pirenena ny fehezan-dalŕna 011/2016 mifehy ny fifandraisana omaly.
Tao anatin’ny fivoriana niiboka nataon’ireo depiote nivory teny Tsimbazaza no nanaovan-dry zareo tsangan-tanana ka nandanian’ny solombavambahoaka 40 latsaka teo ny hanemorana ny fandinihana azy io raha niisa 18 araka ny feo re no narisika tamin’ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity avy hatrany. Anisan’izany ireo depiote HVM mafana fo. Lava loatra ny andininy mahakasika ity fehezan-dalàna ity ary hiankinan-java-makadiry eto amin’ny firenena ka mendrika hodinihana tsara sy milamina, hoy ny sasany tamin’ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza. Tsy nety naneho hevitra kosa ireo an-kilany nisisika fa nanambara fotsiny fa lapan’ny demokrasia ny eny Tsimbazaza ka hajaina ny hevitry ny maro an’isa. Tety ivelany kosa dia nifaly havanja avy hatrany ny mpanao gazety rehetra nifamotoana teny amin’ny fanaovana radio miara-manonja teny amin’ny Radio Antsiva Ankorondrano ka , nahomby ny hetsika natao saingy tsy mbola tena vita anefa ny tolona. Marihana fa onjam-peo 36 manerana ny nosy no nanatanteraka ity hetsika miara-manonja ity omaly.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.