FAVORIA

> Mifototra amin’ny fampirindrana ny fiarahamonina


  • Sabotsy 23 Novambra 2013

Fikambanana iray ao anatin’ny Boriborintany faha-3 izay mamaka amin’ny soatoavina telo ny Favoria.

Mifanohana, mifarimbona ary mifampiaro no fototra hijoroan’ny fikambanana sady hisarihany ireo mpikambana ihany koa, araka ny nambaran’ny filoha mpanorina azy Razafimbelo Norbert Arnès. Nohazavain’ity kandida ho solombavambahoaka ity fa ao anatin’ny fiarahamonina hanjakan’ny fahantrana tahaka ny faritra misy azy ireo dia tena zava-dehibe ny fifanohanana eo amin’ny mpiara-monina. Tsy mijanona eo amin’ny seha-pihariana fotsiny moa io resaka fifanohanana io fa amin’ny fiainana andavanandro rehetra mihitsy. Rehefa misy ny fifanohanana dia mazava ho azy fa tsy maintsy mifarimbona mba ahafahana manatratra ilay tanjona iraisana, eo no ilaina ilay mifampiaro satria iray tanjona sady iray tombontsoa ka araka ilay ohabolana Malagasy hoe «tanan-kavia sy havanana, izay didia-maharary » io. Hatramin’ny afak’omaly dia nanatontosa fanadiovana ny lakandranon’Andriatany izy ireo mba tsy hahatsentsina izany ka hiteraka tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra. Tsy vao izao moa ny fikambanana no nanatontosa asa tahaka izao fa efa hatramin’izay 12 taona nisiany izay.

 

 Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT